Taratasy Voalohan'i Md. Paoly Ho An'ny Korintiana

Toko faha-11

17 Tsy izany ihany no andidiako anareo, fa mba misy tsy iderana anareo, dia ny iangonanareo tsy hihatsara fa hiharatsy.

18 Fa voalohany, reko fa raha miangona hanao fivoriana hianareo, dia misy fisarahana eo aminareo; ary mba misy inoako ihany izany; 19 satria tsy maintsy misy andaniny maro eo aminareo, mba hihariharian'izay olona voazaha toetra eo aminareo. 20 Ka raha miangona hianareo, dia tsy mba ny fanasan'ny Tompo intsony no haninareo, 21 fa eo am-pihinanana dia samy homana ny sakafony avy aloha hianareo, ka ny sasany noana, ny sasany kosa mamo! 22 Tsy manan-trano hihinanana sy hisotroana va hianareo? Sa manazimba ny tranon'Andriamanitra, ka sahy manome henatra ny tsy manana? Inona no holazaiko aminareo? Hidera anareo va aho? Tsia, tsy hidera anareo amin'izany velively aho! 23 Fa izao no noraisiko tamin'ny Tompo sy nafindrako taminareo kosa: tamin'ny alina namadihana azy iny Jesoa, dia nandray mofo,

24 ka nony efa nisaotra izy, dia namaky azy sy nanao hoe: Raiso ary hano, ity no vatako ho anareo; manaova izao ho fahatsiarovana ahy. 25 Toy izany koa, nony efa nihinana, dia hoy izy: Ity kalisy ity no fanekena vaovao amin'ny rako; manaova izao ho fahatsiarovana ahy, isaky ny misotro hianareo. 26 Fa isaky ny mihinana ity mofo ity sy misotro amin'ity kalisy ity hianareo, dia manambara ny fahafatesan'ny Tompo mandra-pihaviny. 33 Aoka àry hifampiandry hianareo, ry rahalahy, raha miangona ho amin'ny fanasana.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1475